Volana aogositra : Be fiara mivezivezy ny RN7, RN4, RN2…

Ambony ny tahan’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana ny Nosy rehefa volana aogositra. Sa­tria, fotoam-pialantsasatra sy fanaovana hetsika toy ny zaikabe, filasiana, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro raha ny tombana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).
Manodidina ny 340 ireo fiara mpitatitra mitondra mpa­n­­deha maherin’ny 6 460 isa miainga isan’andro amin’ireo tobim-piantsonana eto Anta­nanarivo. Ankoatra izany, ireo fiara mianga amin’ireo toby tsy miankina, ny fiara manokana, fiara hofaina ary ireo taxibrosy manana fahazoan-dalana ma­nokana.
Anisan’ny lalam-pirenena be mpandeha indrindra ny RN7 satria mahatratra 51,9% ireo fiara miainga eny amin’ny tobim-piatsonana no mihazo izany lalana izany. Aorian’­ izany ny RN4, RN2 ary ny RN6. Manodidina ny 17 hatramin’ny 20 ny mpandeha entin’ny fiara mpitatitra iray ary feno foana izany isan’andro.
Manoloana izany, manamafy ny fanaraha-maso eo am-piaingana ny ATT. Ama­fisina ny adidy sy ny andraikitr’ireo kaoperativa hampanara-dalàna ny ara-teknikan’ny fiara rehetra.

Tatiana A

Partager sur: