Tsy misy intsony ny fandeferana ho an’ireo tsy manara-dalàna ho an’ny fampianarana ambony. Efa ampy ny fanentanana natao. Mihatra amin’izay ny sazy.
Tsy ankitsitsy fa avy hatrany dia raisina ny fepetra ho an’ireo sekoly ambony misokatra tsy ara-dalàna. Tao anatin’ny fanaraha-maso nataon’ny tomponandraikitra no nahitana fa misy toeram-pampianarana mbola tsy manana fahazoan-dalàna hisokatra. Misy aza mbola tsy manana birao na toeram-pampianarana ara-dalàna, kanefa efa manao fampahafantarana ary miantso mpianatra.
Hita teny Tanjombato izany tamin’ity herinandro ity ary tratran’ny tale misahana ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitao, Dr Rakotoniaina Bearisoa. Efa nisy tolotra fampiofanana ampitain-davitra (Foad) 2 tsy miankina amin’ny fanjakana ihany koa nakatona vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fepetra.
Manohy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres).
Mampitandrina ny Mesupres fa handray fepetra henjana sy tsy handefitra amin’ireo toeram-pampianarana mbola minia misokatra sy mampianatra tsy misy fahazoan-dalana.
Hita any amin’ny faritra ihany koa ity tranga ity ka tsy hanavahana fa hifaizina ireo minia tsy manara-dalàna.
Nampahafantarina ny fepetra
Manentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny minisitera mba hanamarina ny maha ara-dalàna ny toeram-pampianarana alohan’ny hisoratana anarana na handoavana vola. Mampahatsiahy ireo mikasa hanokatra toeram-pampianarana mba hanaraka hatrany ny dingana ara-dalàna.
Efa nisy ny dinika niarahana tamin’ireo tomponandraikitra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, ny 24 avrily teo. Nampahafantarina azy ireo ny dingana sy ny fepetra takina amin’ny fangatahana fahazoan-dalana sy fankatoavana ka heverina ho faniratsirana ny mbola fanohizana ny tsy fanarahan-dalàna.
Tatiana A




