Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalorea tao Fianarantsoa. Nahatratra 51% ny taham-pahafahana. 54% ho an’ny A1. Mpianatra 1690 no nisoratra anarana ka ny 906 no afaka. 46% ho an’ny sokajy A2. Nahatratra 21315 ireo mpianatra nisoratra anarana ka ny 9885 no afa-panadinana. 75% ny sokajy C ka mpianatra 193 amin’ny 257 nisoratra anarana no afaka tamin’izany. 62% ny sokajy D, 4805 no nisoratra anarana ka ny 2988 no afaka. 61% ny sokajy L, niisa 3623 ireo nisoratra anarana ka ny 2220 no afaka soa aman-tsara. 63% ny sokajy OSE, mpianatra 1315 nisoratra anarana ary 825 no afaka. 37% ny sokajy S ka ny 906 amin’ny 2433 ihany no afaka.
Misongadina ny taha ambony ho an’ny fahafaham-panadinana ho an’ny sokajy C. Manaraka izany ny sokajy OSE sy D. Nahakivy ireo mpianatra kosa ny an’ny sokajy S izay tena ambany raha miohatra amin’ny salanisa ankapobeny.
Nahatratra 70% kosa ny an’ny bakalorea teknika sy fanofanana arakasa ary 55% ny teknolojia.
Sokajy C ao amin’ny sekoly St François Xavier no sangany indrindra tamin’ireo mpianatra izay nahazo ny naoty ambony indrindra.
Heverina hivoaka amin’ny herinandro ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Efa miandry fatratra ireo mpiadina. Toraka izany ireo any amin’ny faritra hafa.
Tatiana A




