Soamanandrariny : Fikambanan-jiolahy mpangalatra moto ravan’ny zandary

Telo lahy mpangalatra moto, iray hafa mpividy ary mpanafina saron’ny zandary Soamanandrariny, afakomaly. Tambajotra iray efa nampikolay ry zalahy ireto.

Vehivavy iray sy lehilahy efatra mpiray tsikombakomba amin’ny halatra moto tra-tehaky ny zandary miasa ao amin’ny tobi-paritra Soamanandrariny, afakomaly. Nandritra ny fisafoana ny alin’ ny 9 aogositra nataon’ny mpitandro filaminana, sarona ny roa lahy nitondra fitaovana fanampahana rojo vy niampy fitaovana maromaro. «Niaiky heloka ireo roa lahy. Handeha hangalatra moto izy ireo tamin’io fotoana io», hoy ny fanazavan’ny zandary. Nanaiky hi­toroka ny mpiara-miasa aminy ireo voasambotra. Lehilahy iray mpanao ity asa ratsy ity voasambotra teny Manjaka­ray. Natao fanadihadiana izy telo lahy. Voatonona ny anaran’ny olona iray hafa tomponandraikitra sady mpandray ny entana halatra.

Mpanafina entana

Hanafenan’ny jiolahy ny entana rehetra avy nangalariny ny alina, manofa trano ha­nitrihana ny moto izy ireo. Renim-pianakaviana iray mi­ara-miasa ka manitrika ireo entana ireo anatin’ny trano. Nataon’ny zandary ny fanadihadiana lalina ary voasambotra tao amin’ny trano voatondro ity farany. Tsy afa-nandà intsony izy dimy mianadahy taorian’ny famotorana. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana tokantrano izay nahaverezana moto teny amin’ny manodidina ireto jiolahy ireto. Voarakitra tao anatin’ny horonantsary miafina tao amin’ilay tanàna lasibatra ny sarin’izy ireo. Nanafina endrika sy nanao ny fomba rehetra tsy hamatarana azy ireo jiolahy. Moto miisa efatra nogiazana tamin’io fotoana io. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: