Andranovelona-Ilafy : Zaza amam-bolana nisy nanary

Zazavavy iray hitan’ny olon-tsotra nipetraka teo amin’ny tohan-drano Andriambato anelanelan’Andranovelona sy Antsapandrano, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa vao maraina no nahatazana ilay zaza. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy teo amin’ny toerana. Niantso tomponandraikitra sy nampandre fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Natolotra ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sabotsy Namahena taorian’izay. Efa tonga teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny ramatoa voalaza ho renin’ny zaza. «Anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay polisy amin’izao fotoana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Tsy mbola naverina tamin’ny fianakaviany ilay zaza raha toa ka tsy vita ny famotorana hamantarana ny antony mazava.

Tsiferana R.

Partager sur: