Tsy mbola araka ny tokony ho izy ny vidin’ny akora nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ambany vidy, sady mitobaka koa ny vokatra avy any amin’ireo firenena mpamokatra.
Any Azia ny firenena tena mpamokatra nikela. Miantoka ny 40% ny famokarana nikela i Indonezia, ary 40% ihany koa ny any Chine. Miparitaka any amin’ny firenen-kafa toa an’i Madagasikara, kosa ny 20% ambiny. Izany hoe, ireo firenena roa voalohany ireo no tena iankinan’ny vidiny eo amin’ny Tsenan’ny Fifanakalozam-barotry ny Metaly any London Angletera, na ny London Metal Exchange (LME). Amin’ izao fotoana izao, nidina be ny vidin’ny nikela, 16 000 hatramin’ny 17 000 $/t eo amin’ny tsenan’ny LME. Tamin’ny febroary 2026 no ambany indrindra ny vidiny, 7 700 $/t.
Nambaran’ny mpahay toekarena, fa maromaro ny antony mahatonga izao fihenanam-bidy izao. Mitobaka ny nikela vokarin’Indonezia. Niakatra kely, nahatratra 19 000 $/t ny vidiny tamin’ny volana mey 2026 teo, satria nisy ny fotoana nampihenany ny famokarana nikela, fa nisy ny fepetra noraisiny mahakasika ny fanajana ny lafiny tontolo iainana. Tsy araka ny vinavina sy ny nantenaina ny fivarotana fiara mandeha amin’ny herinaratra. Tsy tena resy lahatra amin’ny fampiasana azy ny mpanjifa, sady mbola lafo koa ny vidiny, miohatra amin’ny fiara mahazatra mandeha amin’ny solika. Lafo ny vidin’ny bateria elektrika, akora tena ilain’ny fiara, izay mahatratra ny 50% amin’ny vidin’ny fiara manontolo.
Miverina mamokatra
Anisan’ny firenena mamokatra nikela i Madagasikara, amin’ny alalan’ny orinasa Ambatovy. Tratry ny rivodoza Gezani farany teo tany Toamasina ihany koa ity orinasa ity, ka tsy afaka namokatra nandritra ny efa-bolana. Ankehitriny, miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana, nanomboka nihodina efa tato anatin’ny iray volana. Fantatra fa tsy mbola ho tratra ny famokarana nikela 40 000 t isan-taona, tanjom-pamokarana tokony ho vitan’ny orinasa, noho izy tsy niasa nandritra ny efa-bolana izay.
Njaka Andriantefiarinesy




