AP Isalo : Voafehy ny afo

Nahitana trangan’afo tany amin’ny Faritra arovana (AP), ny Valan-javaboahary Isalo, ny harivan’ny sabotsy 8 aogositra teo. Tao amin’ny faritra antsoina hoe «La Reine» no nahitana ity tranga ity. Voafehy tanteraka tao anatin’ny fotoana fohy anefa ny afo, taorian’ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ny rehetra tany an-toerana.
Mitantana ny AP Isalo ny Madagascar National Park (MNP). Vao tsy ela, ny alatsinainy 10 aogositra teo no tafapetraka ny fotodrafitrasa fitiliana, «Control Room» eny amin’ny foibeny Ambatobe. Misy ny fitaovam-pitiliana Zoleo, miisa 100, aparitaka eny ifotony, hifampitam-baovao. Ampiasana ny teknolojia Synergi-MNP, amin’ny alalan’ny zanabolana. Nambaran’Andrianambinina Ollier, lehiben’ny Sampan­draharaha ny fampahalalam-baovao ao amin’ny Control Room, fa anisan’ny atao laharam-pahamehana ny any amin’ny Valan-javaboahary Ankarafantsika, izay matetika tratry ny doro ala sy doro tanety isan-taona.
Nanohana sy nahazoana an’ireo fitaovana ireo ny Fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Fiaraha-miasa ara-toekarena sy fampandrosoana alemà (BMZ) sy ny KFW, ny banky alemà ho an’ny fampandrosoana, ary ny FAPBM.

Njaka A.

Partager sur: