Mankany any amin’ny Vondrona Eoropenana (UE) avokoa ny 33% fanondranana malagasy. Mbola izy no mpiara-miombon’antoka ara-barotra lehibe indrindra amin’i Madagasikara. Efa 15 taona ny fifanarahana APE, izay manome fahafahana ny vokatra malagasy hiditra amin’ny tsena eoropeana tsy misy haba sy «quota». Fifanarahana manampy amin’ny fampiroboroboana ny fanondranana sy fisarihana fampiasam-bola eto Madagasikara
Tanterahana androany ary haharitra roa andro ny hetsika Moris Mada Business Connect 2026. Fihaonambe mampivondrona mpisehatra ara-toekarena avy eto Madagasikara sy Maorisy. Tanjona ny hanamafy ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotra sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-indostria eo amin’ny firenena roa tonta. Lohahevitra dinihina mandritra ny hetsika atao eny amin’ny CCI Ivato ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ny harena voajanahary, ny tontolon’ny fandraharahana, ny famatsiam-bola, ny teknolojia, ny fambolena, ny fotodrafitrasa ary ny varotra isam-paritra.
Mitombo hatrany ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny fiarovana ny zavaboary sy ny fanorenana ny hoavin’ny taranaka eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala honko, manentana ny mpianatra, mampita ny feon’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ary miaro ny harena voajanahary ny tanora.




