“Jeu vidéo”: Nahemotra ny fivoahan’ny “Kalanoro”

Tokony hivoaka ny 27 aogositra izao ilay “jeu vidéo” ma­lagasy, “Kalanoro”. Nanambara indray ny Studio Ted Raketa izay mpamokatra, fa hahemotra ny 24 septambra izany. Ny antony, hivelatra amin’ilay orinasa japoney Sega ny fiaraha-miasa, ka hiitatra ihany koa ny fipariahany maneran-tany.
“Hanampy bebe kokoa ny fampahafantarana ny Kalanoro izay fihemorana izay. Manana tsena goavana any Japon sy manerana ireo firenena aziatika maro ny Sega, ka tombony ho antsika ny fiarahana aminy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Nampifanandrifiana tamin’ny “Tokyo Game Show 2026”, ihany koa izany. Hetsika lehibe indrindra maneran-tany ho an’ny “jeux vidéos” izy ity, izay hatao ny 17 hatramin’ny 21 septambra any Tokyo, renivohitr’i Japon. Tsy maintsy ho maro ireo liana amina lalao vaovao, indrindra fa avy amina firenena mety tsy mbola heno na fantatra akory. Mazava loatra fa tsy ho tompon-tany mihono ireo mpankafy “jeux vidéos”, saingy voatery hiandry kely aloha. Mampanantena ny mpamokatra fa hisy hetsika maromaro ho fampahafantarana ny “Kalanoro” eto, handresena lahatra ireo mpilalao.

Zo ny Aina

Partager sur: