Ho avy eto an-tanindrazana i Voara ? Raha ny fampahafantarana any anaty tambajotran-tserasera, hisy ny seho an-tsehatra hiarahan’i Sahaza Guitariste sy i Voara, ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Pho Resto Ivato. Fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Hotsarovantsika ». Hanotrona an-dry zareo amin’izany ny tarika Fangia Kalo Gasy. Marihina fa manohy ny fianarany any ivelan’i Madagasikara i Voara.
« Aza manadino, ny hafatro fihino… », « Zovy moa izato ianao no miseho mahalala ny ato am-poko… » ? Hovelomin’ny tarika J. Andriamanantena ireo hiran’i André Tytis. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Ny Railovy Andohan’Analakely, ny sabotsy 29 aogositra izao, manomboka amin’ny 11 ora atoandro. Amin’ny ankapobeny, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny sanganasan’i André Tytis. Maro amin’ireny no tsy afaka am-bavan’ny mpankafy ny kanto. Tsy vitsy ihany koa ireo heno matetika any amin’ny fihaonan’ny mpianakavy tahaka ny fanorenan-tokatrano, sns.
Raikitra fa hisy ny « Talim-poezia ». Antsa tononkalo sy vazo miteny ataon’ny Fikambanana Tsanta (Tiako sy andrianiko ny teniko sy taniko). Poeta tanora, manan-talenta avokoa ireo hiantsa ny tononkalony sy hihira, ireo, raha ny fanazavan’i Aina Nirina mpanorina ny Tsanta. Fiantsana sy fihirana hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly Sainte Famille Imahamasina, ny alahady 23 aogositra izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.




