Antanetibe-Faratsiho : Maty novonoin-dreniny i Lucas kely, zaza iray volana

Tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Lucas kely ny reniny niteraka azy sy ny mpimasy iray tao Antanetibe, distrikan’i Faratsiho. Notanana am-ponja ireo olona telo voasaringotra, afakomaly.

Natsikafin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa ny renin’i Lucas kely ihany no namono nahafaty azy tao Am­batomitety, fokontany Anta­netibe, distrikan’i Fara­tsiho, ny 31 jolay lasa teo. « Fifane­raserana akaiky ta­min’ny mpanao ody ratsy no anton’ny namonoiny ny renim-pianakaviana ny zanany», hoy ny fanazavan’ny polisy miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritra ao Vakina­karatra, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana, ny 31 jolay. Very tamin’izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vao iray volana monja. «Nika­roka ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana saingy tsy nahita na inona na inona tamin’io andro io», hoy ny fanampim-panazavana. Hitan’­izy ireo anefa ilay ramatoa sy ny zaza, ny 1 aogositra saingy efa tsy nisy aina in­­tso­ny ny­ zaza teny an-tana­ny.

Olona roa voasaringotra

Nosamborin’ny mpitandro filaminana natao famotorana ilay lehilahy mpanao ody. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa nanosika ilay ramatoa hamono ny menaky ny ainy ny fifandraisany ta­min’ilay mpimasy. Vehivavy iray hafa notanana ka niaraka natolotra fampanoavana tamin’­ireo olona roa ireo. «Nampifandray ny renin’ilay zaza sy ny mpimasy io ramatoa io», hoy ny loharanom-baovao. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny alarobia 12 aogositra teo ireo olona telo voarohirohy. Nota­nana vonjimaika any am-ponja avokoa izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: