Miatrika fanamby ara-toekarena i Madagasikara amin’ity taona ity. Hiakatra ny vidim-piainana, hihena ny fitomboana ara-toekarena. Nidina ho 3,8% ny vinavinan’ny fitomboana, raha 8,3% kosa ny fidangan’ny vidim-piainana. Miakatra ny vidin-tsakafo, solika, fitaterana ary angovo, ka mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny mampihena ny fiankinandoha amin’ny fanafarana entana any ivelany.
Nihena 8,7% ny fanondranan’ireo orinasa afakaba teto Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny 2026, araka ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ny fihenan’ny tinady, indrindra tany amin’ny tsena amerikanina (-21,2%), no anisan’ny antony lehibe. Mampitombo ny tsindry
amin’ny indostrian’ny lamba malagasy izany, indrindra ny momba ny Agoa.
Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny vidim-bokatra, ny fanohanana ny tantsaha ary ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana ny dinika nataon’ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana sy ny delegasionin’ny Formagri, omaly, tetsy Ambohidahy. Nohamafisin’ny minisitra ny fahavononan’ny minisitera hiara-hiasa amin’ireo
mpiara-miombon’antoka ho amin’ ny fifandanjan’ ny tsena.




