Hatao anio any Durban, Afrika Atsimo, ny fihaonana an-tampony faha-46 an’ireo filoha eo anivon’ny Sadc, raha teto Madagasikara ny faha-45, aogositra 2025. Hitarika izany ny filohan’i Afrika Atsimo, i M. Cyril Ramaphosa. Lohahevitra ny hoe: « Indostrializasionina mahazaka sedra sy maharitra ary tsy manavaka amin’ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny fanovana ny sehatry ny fambolena ary ny fanodinana ireo akora mineraly stratejika ho an’ny tontolo mirindra sy ara-drariny kokoa ». Tanjona ny hampiroboroboana ny fotodrafitrasa sy ny fambolena ary ireo akora mineraly stratejika hampirisihana ny indostrializasionina sy hananganana faritra Sadc mifototra amin’ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny fahazoana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Tsy azo ihodivirana ny fihaonana an-tampony
Ho an’i Madagasikara, hodinihina manokana ny fivoaran’ny toe-draharaha, taorian’ny nankatoavan’ny Sadc ny tondrozotra natolotry ny fitondrana Fanavaozana. Eo ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana alohan’ny faran’ny taona 2027. Torolalan’ny vondrona koa ny hisian’ny dinika politika. Tsy azo ihodivirana izay, raha ny fijerin’ny mpanao politika. “Raha tena mpitondra, tsy tokony hitsoaka adihevitra na dinika ambony latabatra. Amin’ny maha mpitondra azy, tsy maintsy mijery hoe: mitondra inona ho an’i Madagasikara ny fanetrahana an’izay?”, hoy, ohatra, ny sekretera jeneralin’ny Tim, ny depiote, Randriamasinoro Rina. “Tsy maintsy hatrehina io. Manan-javatra hazavaina isika. Efa misy ny dingana vita. Inona ny antony tsy mampandeha ny dingana sasany ary amin’ny fotoana inona no hanatanterahana azy? “, hoy kosa ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo.
R. Nd.




