Fihaonana an-tampony : Manohana ny dingana fanavaozana ny SADC

Nankasitraka an’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony faha-46 nataon’ny vondrona SADC tany Durban, Afrika Atsimo, ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanambarana nampitainy, voaray omaly.

Noho ny fahombiazan’ny fifampidinihana, eo ambany fiahian’ny vondron’ny olobe eo anivon’ny SADC izany. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Vondrona mpanolotsaina momba ny fanelanelanana sy ny sekretarian’ny SADC ihany koa. Araka izany, nohamafisin’ny vondrona ny fahavononany manohana ny dingana fanavaozana eto Ma­dagasikara. Eo koa ny fandaharanasa fampandrosoana. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fitantanana mirindra, ny andrimpanjakana demokratika, ny tamberin’andraikitra, ny fitandroana ny zon’olombelona sy ​​ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena ary ny fiverenana amin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Nampirisika ireo mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara koa ny fihaonana an-tampony hitana hatrany ny fitoniana eto amin’ny firenena amin’izao, ary hanao ho laharam-pahamehana ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fanehoana ny fitarainana na fitakiana atao.
Voafidy ho filohan’ny SADC tamin’ny fihaonana an-tampony ny filohan’i Afrika Atsimo, i Matamela Cyril Ramaphosa. Izy rahateo no filoha vonjimaikan’ny vondrona nanomboka tamin’ny fametraham-pialan’i Madagasikara, tamin’izany, noho ny toe-draharaham-pirenena teto an-toerana. Voafidy ho filoha han­dimby azy kosa ny filohan’i Zambia, i Hakainde Hichilema. Niompana betsaka amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena ma­haritra tsy manavaka ny fihaonana an-tampony. Fanamby ny fampiroboroboana ny toekarena, ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fi­laminana eo anivon’ny faritra.

R. Nd.

Partager sur: