Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nankasitrahiny ny ezaka fampihavanana sy ireo asa fampandrosoana tsara notohizana sy efa natomboka. Nametraka fitakiana anefa ny tenany. «Tokony hiroso haingana koa ny dingana manaraka, indrindra ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny FFKM. Mandroso ny fotoana ary tsy tokony ho very fotsiny ny fahafahana ananantsika», hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony hiandry krizy vaovao vao hamaha ny olana taloha. Fotoana izao hanaovana izany, miaraka, amim-pahendrena ary tsy misy Malagasy havela any ivelany raha tena te hanorina Madagasikara vaovao isika, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa tsara ny hetsika fampihavanana atao amin’izao fotoana izao. Dingana iray ilaina izany. «Tsy afaka manorina ny hoavin’i Madagasikara isika raha mbola mizarazara sy mifampiahiahy ny samy Malagasy. Fanombohana ihany anefa ireny », hoy ihany izy.
Notsindriny fa tsara koa raha hararaotina izao fotoana izao mba hamahana ireo olana fototra nampikatso ny firenena nandritra ny taona maro. Nambarany fa tsy ny fifanilihana politika ihany no olana eto. «Mila hatsaraina koa ny fomba fitantanana ny firenena: fitantanana mahomby, mangarahara, tomponandraikitra ary azo arahi-maso», hoy izy.
Izany no mahatonga ny fifampiresahana politika sy ny fanavaozana tsy tokony hampifanohitra. Mifameno izy ireny. «Mamaha ny disadisa sy mampiverina ny fifampitokisana ny dinika politika ary manarina ny rafitra sy ny fomba itantanana ny firenena mba tsy hiverenan’ireo olana ireo intsony ny fanavaozana», araka ny nambarany.
Synèse R.




