FANTINA sy FINTINA

Mifameno ny fiangonana sy ny fanjakana amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny lahatenin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, raha nanokatra ny jobily faha-100 taonan’ny Tobilehibe Manolotrony izy. Notantera­hina ny alahady teo izany.
Manangana ny rantsany any ifotony ny Vovonana ho an’ny fanavaozana (VFM). Anisan’ny tafajoro, ny herinandro teo, ny ao amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo. Tahaka izany koa ny any Tsihom­be. Mitarika izany hatrany ireo depiote tarihin’ny filohan’ny VFM, i Fanomezantsoa Andrianjanahary sy ireo depiote amin’ireny distrika lalovany ireny.
Tsapa ny fiovana eto amin’ny firenena tao anatin’ny 10 volana nitondran’ny Fanavaozana, araka ny nambaran’ny tanoran’ny antoko Tsaratahafina, Ramiandrisoa Erico. « Anisan’ny nahitana izany ny momba ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Teo koa ny niakaran’ny sandan’ny ariary, ny fanamboaran-dalana… », hoy izy.
Nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny fikambanana Fanjiry, tarihin’ny vadin’ny Filohan’ny Fana­vaozana, Randrianirina Elisa, ny tao Mahajanga. Ahitana kojakojam-pianarana izany. Nisy koa fitaovana nomena manokana ho an’ireo zaza manana fahasembanana. Nandray izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.

Partager sur: