Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay, notarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny,
i Bruno Fuchs, afakomaly. Niara-dalana taminy ny mpanolotsaina ara-diplaomatika sy ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara. Ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Frantsa no tena niompanan’ny fihaonana.
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa misokatra amin’ny fifandraisana rehetra ary tsy mitsipaka velively an’i Lafrantsa i Madagasikara. Nohamafisiny fa tsy miala amin’ny lalàmpanorenana ny Antenimierampirenena. Nivoitra tao anatin’ny dinika ihany koa ny fanafoanana ny « monopole » amin’ny lafiny rehetra mba hahafahan’ ny rehetra manasoa sy mampandroso an’i Madagasikara. Anisan’ny noresahina koa ny firosoana amin’ny fifidianana, izay laharam-pahamehana, ary ny mba hangarahara sy haneken’ny rehetra izany.
Manampy izany ny firosoana amin’ny famahana ny olana ara-tsosialy, efa maro ny asa natomboka, toy ny fanamboarana fotodrafitrasa. Anisan’ izany ny famatsiana rano fisotro madio.
Andrasana ny fidiran’i Lafrantsa eo amin’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola momba my harena an-kibon’ny tany. Vonona hanampy sy hhara-miasa amin’i Madagasikara ny firenena frantsay.
Mi.Raz




