Bruno Fuchs : Nandiso ny feo miely fa iraka manokana no anton-diany

Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay. Tarihan’ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimierampirenena frantsay, i Bruno Fuchs, izany.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Masoivoho Frantsay, Amba­tomena, omaly, ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny, eo anivon’ny Anteni­mi­­erampirenena frantsay, i Bruno Fuchs. Ny anton-diany eto Madagasikara izay tsy vao izao no votoatin-dresaka nandritra izany. Namaly ary nandiso ny feo miely fa iraka manokana izy, nandritra izany. Fandinihana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto, indrindra taorian’ny savorovoro ara-tsosialy nisy tamin’ny taon-dasa no andalovany eto Madagasi­kara, araka ny fanazavany. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny fanavaozana satria hetsika sosialy, hoy i Bruno Fuchs, no nisy teto fa tsy krizy politika. Tsapany, nandritra ny fifampiresahany tamin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fa mi­fantoka amin’ny famahana ny olana izay notakina tamin’ny hetsika natao ny fanjakana malagasy. “Izay finiavana hamaly ny hetahetan’ny va­hoaka izay no tokony hiompanan’ny fiaraha-miasa”, hoy hatrany i Bruno Fuchs.

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Nitondra fanazavana be­be­­kokoa mahakasika izay fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izay ihany koa ity solombavambahoaka frantsay ity. Fanamboaran-dalana, fandriampahalemana sy lafiny sosialy no nifantohan’ny fanazavany mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. « Tsy maintsy misokatra amin’ny firenena maro i Madagasikara raha te hamaly ny filana manontolo ary tsy nisy firenena iray nahavita namaly irery izay filana izay ho an’ny firenena afrikanina fa tsy maintsy misy ny fifaninanana », hoy ny nambaran’i Bruno Fuchs. Vao maika mampirisika an’i Frantsa hiroso sy hanova ny fomba fiasa mahazatra azy ny fisian’ny fifaninanana eo amin’izay fiaraha-miasa izay.
Tsiahivina fa efa fanindroany izao no nitsidika an’i Madagasikara ity solombavambahoaka frantsay ity ka tamin’ny volana novambra 2025 no voalohany.

Mi.Raz

Partager sur: