CHU: misokatra ny tolotra Scanner

Mampahafantatra ny hopitalim-panjakana CHU HJRA fa efa misokatra ho an’ny rehetra ny Scanner ao an-toerana. Ao amin’ny sampandraharaha Imagerie médicale no misy izany fitaovana fitiliana izany ary efa mandeha tsara, araka ny fanazavana hatrany.
Ahafahana manatanteraka fitiliana ara-pitsaboana, amin’ ny alalan’ny teknolojia maoderina, ka manamora ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo marary mila izany ny fitaovana.
Betsaka ny marary mila atao Scanner araka ny toromariky ny dokotera. Manampy ny mpitsabo hahafantatra tsara ny fototr’aretina ka hahafahana mitsabo araka ny tokony ho izy ny fahavitan’izany, ho an’ny marary.
Lafo ny fanaovana ity Scanner ity any amin’ny toeram-pitsaboana sasany ka tsy ny marary rehetra no manana fahefana hanao izany.
Heverina ho zakan’ny rehetra ny fanaovana izany ao amin’ny CHU JRA, manomboka izao ary hanampy ireo olona marary hahazo fanasitranana ny fahatomombanan’izany fitaovana izany indray.

Tatiana A

Partager sur: