Seho faran’ny herinandro: samy nahazo ny anjarany ny teto an-drehivohitra

Rap, vazon’ny tanàna, vazo miteny, rock, ba gasy… samy nanana ny mpankafy azy ireo fampisehoana teto Antananarivo, indrindra ny omaly.

Hahafeno ny toerana da­holo ve ireo? Fanon­ta­niana napetraky ny maro mahakasika ireo fampisehoana marobe izay nitranga ny faran’ny herinandro teo izany, indrindra teto Antana­na­rivo. Nivoaka ny valim-panadinana: samy afaka avokoa! Indrindra ireo seho goavana teto Antananarivo, raha notsaraina tamin’ny hamaroan’ny mpijery dia nahitam-pahombiazana avokoa.
Nampoizina indrindra ny sehon-dRaboussa tetsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Adiny roa mialoha ny seho, namoaka filazana ny SR Event izay mpikarakara fa jifa avokoa ny tapakila rehetra. Tsy voalohany ho an-dRaboussa ny nameno ny lapa, saingy mijanona ho fa­namby goavana foana izany, satria izy irery, hatreto, no mpanao rap nahadingana sy nitana io fanamby io. Nanam­py ny lazany ireo vahinin-dRaboussa, toa an’ny 18,3, Doubl’Enn, sns. « Revy arak’izany », araka ny lohateniny.
Fa mbola hafa koa i Samoëla… Maro izay seho goavana nifanindry tamin’ny datiny izay fa manjohy azy eo foana ireo mpankafy. Rakotra indray koa Antsahamanitra, omaly. Tsy sakana mihitsy ny efa nisian’ny « Niaka-dapa », fa mbola indreo ihany ny mpankafy azy. « tsy tontan’ny ela » toy ny anaran’ny seho ny hira nalahatra, izay nahenoana indray ireo tsy dia fanaony firy an-tsehatra. Vao nanomboka tamin’ny « Zaza maroroka » dia efa niarahana daholo ny hira rehetra. Nisongadina ireo hira misy feom-behivavy nataon’i Manou, izay manana mpankafy manokana.
Seho goavana fahatelo, nandrasana mafy koa ny an’ny tarika Rebika, tetsy amin’ny Kianja Esca Antanimena. Raha misy ny tarika manana mpankafy raikitra manjohy foana na misy inona na inona dia an­gam­ba ny Rebika. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny mpankafy loatra ny disadisa anatiny teo amin’ny tarika. Toa vao mainka aza nampitombo isa ireo liana, indrindra koa fa nahitana endrika niverina toa an-dry Rivokely sy Nicks tao. Hira manodidina ny 70, izay toa mbola vitsy ho an’ireo tena mpankafy indray nalahatra tao.
Mety hoe tsy goavana noho ny toerana kely, kanefa nahitam-pahombiazana koa ny tetsy Analamaitso Anala­mahitsy. Fotoana manokana ho an’ireo mpiondana mozika mavesatra, niarahan’i Ken sy Jimmy Harrison ary ireo mpitendry nosafidiana izany.
Fara-fitatitra fa tsy kely indrindra koa, ny seho voalohany notontosain’ny Anoka Ba Gasy tetsy amin’ny Arrocan­cia By Pass. Tsara fiditra ny tarika, ary mbola be mpankafy ny mozika gasigasy sy vokatry ny tany. Namarana ny fialantsasatra tokoa.

Zo ny Aina

Partager sur: