Fiverenana an-doharano. Izay no azo hamehezana ny seho nataon’ny Feo Gasy ny sabotsy teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Manamarika ny fiverenan’ny tarika eo amin’ny fitetezam-pirenena iny, ka niniana natomboka taty an-tanindrazana. Hitohy amina daty maromaro any Eoropa izany, aorian’ izao, ka ao France ny ankamaroany.
Seho nanjakan’ny tamberina sy tsiahy ny tao amin’ny CCI Ivato. Niverenan-dry Erick Manana ireo hira tany anatin’
ny «Tsofy rano», rakikira voalohany tamin’ny 30 taona lasa. Nisy fofompofon’ny rakikira vaovao, noraisim-peo tany Antsirabe farany teo ary hivoaka ny voalohan’ny taona ihany koa. Tsy feno ny efitrano, saingy tsy nanenina koa ireo nijery. Nahazo tombony lavitra noho ny nampanantenaina aza.
Zo ny Aina




