Nanomboka niverina niasa sy namokatra indray ny orinasa Ambatovy, ny volana jona, taorian’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina, ny volana febroary lasa teo.
Azo ambara fa ao anatin’ ny fotoan-tsarotra ny orinasa, satria miakatra ny vidin’ny akora fototra ilaina amin’ny asa nefa ny vokatra hamidy tsy manaraka izay. Mitombo ny masonkarena, saingy mitohy hatrany ny hetsika sosialy sahanin’ny orinasa hatramin’izay. Laharam-pahamehana ho azy ireo ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fanohanana ny velontenan’ny mponina any amin’ny faritra iasany. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka ny fampisitrahana rano madio fisotro, satria voakasika ny fahasalamana, ny fidiovana ary ny fanamorana ny fiainana amin’ny andavanandro. Mihena ny fotoana lany amin’ny fantsakana rano lavitry ny tokantrano.
Ny volana aogositra lasa teo, nahazo rano vokatry ny fotodrafitrasa naorin’Ambatovy ny mponina ao amin’ny fokontany Ampitambe, ao amin’ny distrikan’i Moramanga. Olona hatramin’ny 2 700, mivelona amin’ny tanàna efatra manodidina, no afaka mikirakira rano isan’ andro, ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny fivelomana.
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, nanome kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro milanja 60,5t, notsinjaraina amin’ny vondrom-piarahamonina marefo ao Toamasina, ny orinasa. Nanampy tamin’ny fanadiovana ny tanàna koa izy ireo tamin’ny fanetsehana olona 750 nandritra ny 10 andro. Hetsika nentina nanokafana ny lalana sy hiarovana ny fahasalamana.
Anisan’ny niharam-pahavoazana lehibe koa ny CHU Analankininina vokatr’izany ka nanolotra Vata mpihary herinaratra ho an’ny sampana misahana ny fitsaboana ny zaza Ambatovy. Mpikambana feno amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy ny orinasa ary manohana ny fanarenana an’i Toamasina.
Vonjy




