Tanora afaka bakalorea: betsaka ireo te hianatra any ivelany

Maro ny hetsika fampahafantarana ireo karazana oniver­site hahafahana manohy fianarana ho an’ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea farany teo. Nisy tetsy Mahamasina, Ankorondrano, Ankatso…
Marolafy ny karazana tolotra amin’ireo lalam-piofanana isan-karazany. Mihodinkodina eo amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny informatika, lalàna sy ny tontolon’ny fizahantany anefa ny fampianarana amin’ireo oniversite an-jatony.
Tena mahasarika ny tanora ny hanohy fianarana any ivelan’i Madagasikara. Maka diplaoma any amin’ireo firenena matanjaka ary hiasa any mihitsy. Maro ny antony mahatonga ny safidin’izy ireo. Anisan’izany ny fahateren’ny sehatr’asa misy sy ny karama ambany omen’ny orinasa kanefa ny ron­doha nianarana lasa tsy misy vidiny.
Canada, Inde, Allemagne, Maurice, France no tena mahasarika ny ankizy. Amin’ireo firenena ireo rahateo no misy oniversite manome vatsim-pianarana sy manana oniversite eto Madagasikara miara-miasa aminy.
Tsy natao ho an’ny rehetra anefa ny fianarana any ivelany fa lafo ny saram-pianarana sy ny sivana amin’ireo sekoly ambony.

Tatiana A

Partager sur: