Basikety – Mada U18: fantatra ireo ekipa hiady ho lohany

Hampiantrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, lahy sy vavy, taranja basikety ny ligin’Atsimo Andrefana. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao izany. Navoakan’ny Federasionina malagasy (FMBB) tao
amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ireo ekipa hiatrika izany. Ligim-paritra 13 no hiady izay ho lohany ka ligy 6 amin’ ireo no manana solontena lahy sy vavy fa ny ambiny kosa sokajy lehilahy fotsiny. Na eo aza izany, misy manao fitarai­nana ireo Ray aman-dreny satria ao anatin’ny fanombohan’ny taom-pianarana ny fifaninanana ka misy ireo ankizy tsy afaka ny hiatrika izany.
Ankoatra izay, mitohy ihany koa ny fifaninanana ho an’ny U20, lahy sy vavy, hatao any Matsiatra Ambony. Raha ny vokatra ny talata lasa teo, ho an’ny lehilahy. Mbola misongadina ny Cosfa, nandresy ny DCA tamin’ny isa 78 no ho 61 ary ny ST Michel nandavo ny Pintade, 74 no ho 56. Ho an’ny sokajy vehivavy, manohy ny fahombiazany hatrany ny Pintade, nanilika ny Fandrasa, 63 no ho 38 ary ny MB2All nandresy ny Dunamis, 48 no ho 37.

Tompondaka

Partager sur: