“Mety hisy ny fihaonana amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, anio. Any hita izay hifampiresahana…”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Ivato, omaly. Ny amin’ny dian’ny delegasionina malagasy tarihiny handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny tontolon’ny habakabaka hatao any Paris, Frantsa, omaly sy anio, izany. Be dia be ny fihaonana manokana hifampiresahana. Na amin’ny Frantsay izay, na amin-dry zareo any Belzika, na ny Vondrona eoropeanina. Tsy maintsy ho voaresaka amin’ny fihaonana manokana amin’ny filoha frantsay ny tetikasa famatsiana herinaratra Volobe. Hihaona amin-dry zareo Belzika izy, anio tolakandro.
Aorian’izay, ny fihaonana amin’ny filoha lefitry ny Vondrona eoropeanina, araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Be dia be ny zavatra tsy maintsy hifampiresahana amin’ny Vondrona eoropeanina, anisan’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara ary vola tsy averina ny ankamaroany. Izay no tokony ho fantatra amin’izay mety ho fiaraha-miasa. Mialoha ny fanatanterahana fifidianana hatao ato ho ato, tsy maintsy hifampiresahana amin-dry zareo koa izay.
“Manana fanantenana ho an’ny firenena isika”, hoy kosa izy ny amin’ny fihaonana an-tampony momba ny tontolon’ny habakabaka. Nasaina i Madagasikara dia tsy mandà. Manana fanantenana i Madagasikara fa hampiasa an’izay tontolon’ny habakabaka izay tsy ho ela. Maro ny manampahaizana : ireo tanora… Maromaro koa ny fiaraha-miasa momba ny tontolon’ny habakabaka voaresaka tato ho ato. Misy efa natomboka… Inoana fa hahitan’i Madagasikara vokatsoa ny fanatrehana ny fihaonana an-tampony.
R. Nd.




