« Tamberina »: manome fotoana amin’ny taona ho avy i Nono

Feno fihetseham-po. Izay no azo hamintinana ny seho roa nataon’i Nono, tetsy amin’ny CCEsca sy tetsy amin’ny Havoria, ny alin’ny zoma teo. Namaly hatrany ireo mpankafy azy. I Nono kosa tsikaritra ho feno hafaliana, ka navoakany tamin’ny talentany izany. Soa ka niaraha-nihira avokoa ry «Ilay Masoandro», «Mandondona», «Miaka-midina», «Ankizy milalao», «Iala­hy», sns. Nila hampitomany ny sasany ry «Tonga lafatra », « Divaorsa », « Bedy foana », sns. “Efa ela no niandrasako izao fotoana izao. Amin’ny herintaona indray… », hoy i Nono, nampanantena ireo mpijery azy. Nisaotro ireo mpitendry tanora nanaraka azy teny an-tsehatra koa i Nono. Tsapa hoe afa-po, ary izy indray aza no nandisondiso kely noho ry Josia (gitara beso), Mathieu (gitara), Baliaka (amponga maroanaka) ary Ravo (vatamaroafitsoka). Efa nandeha sahady ny antsoantso ny hanaovana izany ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina.

Zo ny Aina

Partager sur: