SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio, any Côte d’Ivoire, ny fihaonan’i Madagasikara sy Nigeria, taranja handball. Lalao tafiditra anatin’ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “B”, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”. Tsiahivina fa hiaro voninahitra sisa ny Malagasy amin’io lalao io fa tsy ho tafakatra intsony.

Hotanterahina ny 25 septambra hatramin’ny 3 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, D1, taranja volley-ball. Tsiahivina fa vao nofaranana ny faran’ny herinandro teo, teny a-toerana ihany, ny amboara nasionaly ho an’ny D2.

Mbola ao anatin’ny heriny tanteraka ny ekipan’ny FC Barcelone, espaniola, ankehitriny. Afakomaly, lavon’izy ireo, tamin’ny isa 7 no ho 2, ny ekipan’ny Santader, nandritra ny andro fahenina, fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga”. Tsiahivina fa tsy mbola nahita faharesena mihitsy ity ekipa ity nandritra ny lalao enina nataony.

Partager sur: