Ratsy ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, izay tontosaina atsy Côte d’Ivoire, ny 15- 22 septambra ho avy izao, ity.
Faharesena fahatelo indray no nahazo ny Akio Madagasikara, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadets”, atao ao Côte d’Ivoire, nandritra ny andro fahatelon’ny fifanintsanana isam-bondrona “B”. Resin’ny ekipam- pirenena nizerianina, tamin’ny isa 45 no ho 27, izy ireo. Raha hiverenana ny fifandonan’ny roa tonta, hita fa niezaka ny Malagasy mpilalao teo amin’ ny fidirana voalohany. Nosahiranin’izy ireo ny nizerianina ka zara raha nahita elanelan’isa telo, 16 no ho 13 ny isa nentin’ ny roa tonta niala sasatra, nitarika ny ekipa nasionaly nizerianina. Tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa, nitambesatra tamin’ireo Malagasy ny havizanana ka lasa mora tamin’ny mpifanandrina indray ny naka ny fandresena, niafara tamin’ny 45 no ho 27 ny lalao. Mbola hita ho lesoka ho an’ny Malagasy ny resaka ara-batana sy ny lafiny teknika. Anisan’ireo vondrona mafy tamin’ity fifaninanana ity no nisy an’i Madagasikara. Marihina fa tsy nahita fandresena mihitsy ny Malagasy. Ampahatsiahivina fa lavon’i Algerie, 36 no ho 15, i Madagasikara, tamin’ny lalao voalohany. Niondrika teo anatrehan’i Tunisie, 62 no ho 20, indray tamin’ny fihaonana faharoa. Raha tsy misy ny fiovana, mety hisy lalao ady laharana hataon’i Madagasikara amin’ ity faran’ny herinandro ity. Ankoatra izay, efa ao anatin’ ny fanomanana sahady ny ekipam-pirenena sokajy vehivavy izay hiatrika ny «IHF Trophy» aty amin’ny faritra fahafito, sokajy “seniors” izay hotanterahina etsy Vontovorona, ny 29 septambra hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao, ny Federasionina. Ireo Nosy rahavavy, toa an’i Maurice, Mayottes, La Réunion, Comores, Seychelles no hifandona amin’i Madagasikara amin’izany.
Fitia Randria




