SOMBIM-BAOVAO

Miaraka amin’i Tchécoslovaquie sy i Espagne ary Etats-Unis, ao amin’ny vondrona «B», ny Makis Ladies, mandritra ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026). Ao amin’ny sokajy «A» kosa i Senegal, Australie, Chine ary i Kenya. Fihaonana tanterahina any Dakar Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 13 novambra ho avy izao.

Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny “Rallye Tour de Tana”, andiany faha-23, iarahana amin’ny klioba ASA Tana. Hampiavaka azy ity ny fisian’ny dingana manokana “ES”, tanterahina amin’ ny alina, tanterahina ny sabotsy 3 oktobra. Miisa 10 ny “ES” izay mirefy 126 km.

Nandresy an’i Portugal ny ekipa malagasy hitambaran’ny lehilahy sy vehivavy “mixte”, eo amin’ny “Olympiades”, taranja lalaon-tsaina Echecs. Fihaonana tanterahina any Sarmacandes. Omaly, niatrika an’i Romania izy ireo, teo amin’ny “Round 3”. Nifampitana tamin’i Luxembourg kosa ny vehivavy.

Partager sur: