World Tae-kwon-do Poomsae : Raraka sahady i Nicolas de Gonzague

Nifarana sahady ny lalan-dRandria­miandrisoa Nicolas de Gon­zague, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja tae-kwon-do WT ho an’ny fihetsika mirindra (Poomsae). Fihaonana tanterahina any Chuncheon, Korea atsimo. Omaly, lavon’ilay teratany Bulgare i Biser.Hristov izy ho an’ny sokajy latsaky ny 60 taona. Poomsae roa no nifanintsanan’izy mirahalahy dia ny Sipjin sy ny Taebeak. Teo amin’ny Sipjin, nahazo isa 8 800 i Hristov raha 8 380 ny an’i Nicolas. Niditra teo amin’ny “poomsae” faharoa indray izy mirahalahy dia ny Taebeak. Mbola resin’i Hristov ihany i Nicolas, tamin’izany. Nanana isa 8 820 indray ilay mpifanandrina taminy raha 8 300 monja ny an’i Nicolas de Gonzague. Taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, nitontaly 8 810 ny an’i Hristov raha 8 340 kosa ny an-dRandriamiandrisoa Nico­las. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena, tamin’ity sokajy nisy azy ity, ilay koreanina, i Kim Min-Sang ary ilay ang­lisy, i Negus Simon, no vo­lafotsy. I Rodin Michail, rosianina sy ilay Philippin, i June Ninobla ny alimo.
Tsiahivina fa i Nicolas de Gonzague irery no hany solontena malagasy niatrika ity fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany ity. Tsy nisy ny dingana savaranonando tamin’ity fa avy hatrany dia fifanintsanana mivantana ka mihintsana izay resy.

Tompondaka

Partager sur: