Karate – Fifaninanana maneran-tany : Miantso fanampiana ireo ray aman-dreny

Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo mpikatroka malagasy efatra mianadahy, i Ornella Irian­tsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny fanjakana ny ray aman-drenin’izy ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo, teny Ampefi­loha, omaly, mahatratra 17 tapitrisa Ariary isaky ny ankizy ny vola ho lany hiatrehana io fifaninanana iraisam-pirenena io. Notsiahiviny fa efa nandany 14 tapitrisa Ariary isaky ny ankizy izy ireo nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Alzeria farany teo. «Efa vonona ara-batana sy ara-tsaina izahay saingy miandry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana hiatrehana izany. Satria, raha tsy misy ny vola, mety tsy ho afaka hiatrika izany», hoy i Ornella, nahazo medaly alimo tamin’izany. Nomarihin’izy ireo fa voninahi-pirenena no harovana ka manantena ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Ankoatra izay, nisy ny fampiakarana ambaratonga ireo mpikatroka niaro ny voninahi-pirenena tany Alzeria.

Fitia Randria

Partager sur: