Toamasina : Gadra nandositra nitana voamaso

Nahatraran’ny mpitandro filaminana voamaso izay nanaovany ody masobe tsy mahita ny gadra iray nandositra tao amin’ny fonja Ambalatavoahangy, kaominina Toamasina, ny 16 septambra lasa teo. Anisan’ireo telo lahy nandositra ny fonja ity gadra ity, izay voasazy an-terivozona mandra-pahafaty. Nanararaotra ny fisian’ny totohatra nampiasain’ny mpiasa nanao fanavaozana tao anatin’ny fonja ireo telo lahy ny harivan’io alarobia io, tamin’ny 4 septambra lasa teo. Nampiasain’izy ireo ny totohatra, nahafahany nivoaka antsokosoko. Nifanenjehana, araka izany, ireo gadra. Azo sambo-belona ny iray. Voan’ny bala ny namany izay tsy nanaiky natsahatry ny mpitandro filaminana nisambotra azy. Tetsy ankilany, nanao tari-dositra ilay gadra fahatelo ka tsy hita. Niroso tamin’ny fanangonam-baovao ny lehiben’ny fonja, Zafilahy Vonjy Stephanson, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nivoaka ny trano niafenany tokoa ilay lehilahy izay tokony hamita sazy, ny 16 septambra teo. Nifanenjehana izy rehefa tsy nety nijanona. Voan’ny bala miisa roa ka namoy ny ainy. Natao fisavana ity farany ka nahatrarana voamaso tao anaty fonosana kely.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: