Raharaha “Boeing 777” : Nahemotra amin’ny 27 oktobra ny fitsarana

Nahemotra amin’ny 27 oktobra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana mahakasika ny raharaha “Boeing 777”, raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny mpitsara. Raha tokony ho natao omaly, tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha izany. Antony ny tsy fahatongavan’ny avy amin’ny ACM, izay mpitory, nanatrika ny fotoana. Ankoatra izay, nisy tsy tonga ihany koa ny tamin’ireo voampanga sasany. Ma­rihina fa miisa 38 ireo olona voarohirohy amin’io raharaha io. Anisan’izany ny jeneraly Ravalomanana Richard, ny minisitry ny Fitaterana sy ny toetr’andro teo aloha, Ra­monjavelo Valéry, ny tale jeneralin’ny Aviation civile de Madagascar (ACM) teo aloha, ny kolonely Gervais Damasy ary ny mpandraharaha Rava­tomanga Mamy sy ny maro hafa. Nahatratra 21 ireo olona voampanga nangatahan’ny mpisolovava fahafahana vonjimaika na ho atao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, nandritra ny fotoam-pitsarana omaly. Olona fito tamin’ireo ihany no nahazo fahafahana vonjimaika.
Nanomboka tamin’ny 10 ora sy 10 minitra maraina ny fotoam-pitsarana, omaly. Ni­farana tamin’ny 12 ora atoandro izany. Samy nanondro olona sy manam-pahefana ambony teo aloha avokoa ny ankamaroan’ireo olona nohadihadiana. Nanamafy kosa ny tale jeneralin’ny ACM, Rako­toarisoa Alban, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana, fa misy lohandohan’ny mpisorona miisa efatra tafiditra ao amin’ity raharaha ity.

Mino

Partager sur: