TSELATRA

Tovolahy iray naratra voatsindrona antsy teny Amoronakona, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny alatsinainy 21 septambra, tamin’ny 8 ora sy sasany. Lehilahy maromaro niaraka nisotrosotro no niafara tamin’izao fifampikasihan-tanana izao. Olona roa voalaza ho nandratra no voasambotra ary atao fanadihadiana.

Nilatsaham-potaka ka namoy ny ainy ny talen-tsekoly eo anivon’ny EPP ao Soamanana, kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny zanany lahy izy kanjo tra-doza tampoka. Tsy tana ny ainy.

Olona roa ikoizana amin’ny vaky trano voasambotry ny polisy tao Fianarantsoa, afakomaly. Sarona tao Ambatomena ny lehilahy iray efa mpamerin-keloka. Voasambotra tao Igagà ny lehilahy iray hafa izay tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny.

Tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Vohiposa, Ambohimahasoa, ny fiara nitondra ny mpanakanto Jedy, omaly. Nifandona ny fiara miisa roa ka potika tanteraka ny lohany. Tsy nisy ny aina nafoy. Nalefa notsaboina ireo naratra.

Partager sur: