Fivoriamben’ny ONU : Fanamafisana fiaraha-miasa ny fandraisana anjara

Hitondra anjara biriky amin’ny fisarihana fiaraha-miasa sy fampiasam-bola bebe kokoa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana eto Madagasikara ireo fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miombon’antoka hotanterahina. Antenaina hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka izany.

Hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpikambana ny fandraisana anjaran’i Mada­gasikara. Tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, ny delegasiona amin’ny Fihaonambe faha-81 an’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia. Io ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, Anosy, omaly. Eo koa ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny laharam-pahamehan’i Madagasi­kara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao. Hi­tondra anjara biriky amin’ny fisarihana fiaraha-miasa sy fampiasam-bola bebe kokoa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana eto Madaga­sikara ireo fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miombon’antoka hotanterahina. Antenaina hi­tondra tombontsoa ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny famoronana asa ary ny fanatsarana ny fari-piainana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’izao fivoriambe izao.
Tsiahivina fa efa tonga any an-toerana mialoha ny ampahany amin’ny delegasiona malagasy ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana avo lenta amin’izao Fivoriambe izao. Eo ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, i N’Diaye Alice, mitarika ny delegasiona. Mia­ra-miasa aminy ny solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny ONU, ny ambasadaoron’i Madagasikara, Raha­jarizafy Lanto. Manampy izany ny ambasadaoro any Wa­shington, Rakotomalala Lan­tosoa, ary ireo mpikambana ao amin’ny ekipa diplaomatika sy teknika. Ny fahatongavan’izy ireo mialoha any an-toerana dia natao indrindra hanomanana ny fahatongavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ary fandraisany anjara feno amin’ny asa sy ny dinika mandritra ny Fivorambe.

R. Nd.

Partager sur: