Nitondra fanazavana momba ny Fanilon’ny Fanavaozana (FFM) ny mpandrindram-paritra, Managneto Oliver, avy any Androy. Nambarany fa tsy manavaka izy ireo, tahaka ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany. « Noraisiny sy nohenoiny na ny mpanohitra aza. Tsy mivaona amin’izany izahay. Ho arofanina kosa anefa », hoy izy, tetsy Anosy, omaly. Notsiahiviny fa nijoro taorian’ny tolona ny FFM ary tsy nanaratsy na iza na iza. Miezaka ho mampivondrona nefa koa tsy manilika. « Iraisana rehefa ho amin’ny fampandrosoana. Tsy manana olana izahay rehefa manohana ny Fanavaozana amin’ny lafiny rehetra », hoy ihany izy.
Nanteriny fa mandresy lahatra hatrany ny olona hanatevin-daharana ny FFM izy ireo ary mijoro amin’ny foto-kevitra mazava ho amin’ny fanohanana ny fitondrana. Ezahina ny hanaparitahana ny fikambanana ka efa ahitana azy ny faritra 21 amin’izao fotoana. Nitety distrika dimy sy kaominina 58 any amin’ny Faritra Androy, araka ny nambarany hatrany. « Ivondronan’ireo mpitolona ny fikambanana ary mametraka ny politika ho amin’ny toekarena sy ny sosialy ary koa ny fanovana toe-tsaina. Mitondra hazavana sy jiro ho an’ny vahoaka amin’ny maha fanilo anay izahay ahafahantsika mandroso miaraka », hoy izy. Nambarany fa efa marobe ireo vahoaka resy lahatra manara-dia azy ireo. Satria, tsy mivaona amin’ny tolona sy miezaka manantateraka ny fitakiana teny an-kianja ny FFM.
Synèse R.




