Vovonana Tantana : Tafajoro ny rafitra eto Antananarivo

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Vovonana Tantana-Faritany Antananarivo sy ny faritra Analamanga. Notonto­saina tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny lanonana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy manendry an-dRamatoa Ra­harivololoniaina Ninah ho mpandrindram-paritra Anala­manga sy Ramatoa Randria­narisoa Riana Raymonde ho ambasadaoro eto amin’ny faritany Antananarivo.

Misokatra ho an’ny anko­lafy sy hery rehetra ny Vovo­nana. Sehatra mampiray sy mampihaona ireo zoky manana traikefa, ireo tanora mpitarika, ireo olom-pirenena ary ireo hery velona maniry ny hahita fanavaozana tena izy eto Madagasikara. Manamafy ny fanohanany ny ezaka fanavaozana ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, izy ireo. Nanamafy izany rahateo ny filoha nasionaly, Rakotoniaina Justin.

“Manao antso avo amin’ ireo ben’ny Tanàna na mian­kina na tsy miankina hiditra ao amin’ny firaisankinan’ny ben’ ny Tanànan’ny fanavaozana (FBF), satria miainga eny ifotony ny fampandrosoana ny firenena. Miantso ireo olom-pirenena tsara sitrapo sy entanin’ny fitiavana ny tanindra­zana koa hanatevina ny vovonana fa an’ny rehetra i Mada­gasikara”, hoy Randrianarisoa Riana Raymonde, Ambasa­daoro eto amin’ny faritanin’ Antananarivo.
Taorian’iny fanomezam-pahefana ho an’ny mpandrindra ny faritra Analamanga sy ny ambasadaoron’ny Faritany Antananarivo iny, hitohy amin’ ny fametrahana ireo rantsamangaikan’ny faritra ao Vaki­nankaratra, Itasy ary Bongo­lava ny vovonana, araka ny nambaran’ny Ambasadaoro. Hitohy hatrany amin’ny dis­trika sy ny kaominina ary ny fokontany izany avy eo.

Claude Eric

Partager sur: