Namoy ny ainy ireo mpianaka nilatsaham-potaka tao amin’ny tanàna an’Andrahavandra, Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana, afakomaly.
Tsy tana ny ain’ilay renim-pianakaviana 40 taona, sy ny zanany lahy, 14 taona, niaraka tra-doza tampoka tao amin’ny trano fonenany tao Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana, ny sabotsy 26 septambra lasa teo. Nandritra ny andro ratsy, nilatsaham-potaka tampoka ny trano nisy azy mianaka. Lasibatra tamin’io fotoana io ireo mpianaka. Nirehitra ny trano fonenany. Nahazo ny tafon-trano izay vita tamin’ny bozaka ny afo, tavela tao anefa izy mianaka. Namoy ny ainy izy ireo. Nahazo ny entana rehetra ny afo. Kila avokoa ny fananana noharian’ity ankohonana lasibatra ity. Tsy afa-nanao na inona na inona ireo mponina manodidina. Ankoatra io, lasibatra koa, ny biby fiompy toy ny omby sy ny kisoa. « Omby roa sy kisoa roa niara-maty », hoy ny loharanom-baovao. Niroso tamin’ny fangalana ny nofo mangatsiaka an’izy mianaka namoy ny ainy ny fianakaviany.
Tampoka
Talen-tsekoly ambaratonga fototra iray (EPP) tao Soamanana, kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka, ny alatsinain’ny 21 septambra lasa teo. Niaraka tamin’ny zanany lahy nandeha an-tongotra niala tao Soamanana nikasa hihazo an’i Tsiroanomandidy ity talen-tsekoly ity. Nanorana ny andro ary narahin-kotroka tamin’ny tolakandron’io alatsinainy io. Lasibatra ilay rangahy ary tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoan’ny loza ilay zanany lahy. Namoy ny ainy ilay talen-tsekoly taorian’ny loza nahazo azy. Manakaiky ny fotoam-pahavaratra ka ilaina ny fitandreman’ny tsirairay na dia tampoka sy tsy mampilaza azy ny loza.
Tsiferana R.





