Notokanana teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo, ny tsangambato fanamarihana ny Tsiahy ny tolona ka nitondra ho amin’ny fiovam-pitondrana ho amin’ny fanavaozana. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny IFR tarihin-dRabetsitonta Tovonanahary, ny zoma lasa teo. Ny 25 septambra fanohizana ny tolona efa nisy tamin’ny 29 marsa 1947 sy ny 13 mey 1972. Ireo daty ireo dia tsy hiverenan’ny mpitondra teo aloha intsony, raha ny fanazavan’ny filohan’ny IFR.
Tokony harovana ny tolona tena hitondra fanavaozana araka ny tarigetra ijoroan’ny rehetra amin’izao fotoana. Tsy tokony havela ho voaviraviran’ny hafa, satria mafy no nentin’ny Gen Z vao nandresy ka tsy tokony hotsinontsiniavina mihitsy izany.
Maro ny sehatra nahitana fiovana tsara tao anatin’ny herintaona nandresen’ny tolona. Navohitran’ny IFR fa miantoka ny fiovan-drafitra ny fahavitan’ny fikaonandoham-pirenena haingana. Miantso ny FFKM izay miandraikitra ny ara-moraly ary ny fanjakana hanafaingana araka izay azo hatao ny daty anaovana ny fikaonandoham-pirenena.
Ny fanjakana no manatanteraka ny ara-teknika rehetra izany fikaonandoha izany hiankinan’ny hoavin’ny firenena.
Efa manana ny volavolan’ny lalàmpanorenana mazava ny IFR, ary haseho amin’ny fikaonandoham-pirenena izany ho fantatry ny rehetra. Ny lalàmpanorenena mivoy sy mijoro amin’ny foto-kevitra mankany amin’ny faritany mizaka tena no hatao hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy ara-pitantanana ny kitapom-bolam-panjakana.
Tatiana A.





