Kilan’ny afo tao amin’ny trano fonenany tetsy Andohatapenaka, afakomaly hariva, i Nomenjanahary Fenofahendrena Angela, zazavavy roa taona. Nilaza te hihinana lasopy izy ary lasa nividy izany ny rainy. Nirehitra anefa ny trano nisy azy rehefa niverina ny dadany ka tavela sy maty tao izy.
Trano hazo efatra no indray nirehitra tetsy Andohatapenaka III, ao amin’ny secteur D, ny harivan’ny alahady, tokony tamin’ny 6 ora sy fahatelony teo. Maty kilan’ny afo tao anatin’izany ny zazavavy roa taona antsoina hoe Nomenjanahary Fenofahendrena Angela. Raha ny fanazavana voaray, io zazavavy kely io sy ny dadany irery no tao an-trano talohan’ny tranga. Nilaza tamin’ny dadany izy fa te hihinana lasopy. «Nivoaka hividy izany tany ivelan’ny trano ny dadany, saingy, efa nirehitra avokoa ny trano rehefa niverina izy», hoy ny dadaben’ilay zaza, Andrianatoandro Masimanana Marolahy, omaly. Nifarimbona namono ny afo ny mpiara-monina teny an-toerana vantany vao niseho ny loza. Naharitra ora iray sy sasany teo ny famonoana ny afo, izay voafehy tanteraka tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo. « Tonga teny ny avy amin’ny mpamonjy voina saingy nananosarotra ny lalana nidiran’izy ireo sy nahafahana namono ny afo, noho ny toerana somary anaty elakelan-trano », hoy i Tojonirina Tanteliniaina Thierry, sefo fokontany Andohatapenaka III.
Nifamonjena
« Niezaka niditra hamoaka ilay zaza tavela tao amin’ny trano faharoa ny olona, saingy tsy tafiditra noho ny firedaredan’ny afo ka nahataraiky azy tao », hoy ihany ny dadabeny. Efa maty kilan’ny afo tao an-trano niaraka tamin’ny entana rehetra izy. Nikainkona ny tanany sy ny tongony, niala main’ny afo avokoa ny hodiny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny afo. Mbola anaty fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana. Niala teny an-toerana, omaly atoandro ary entina nihazo an’i Manalalalondo tanindrazany, ny razana. Marihina fa efa tonga nijery ny mana-manjo sy ireo tsy manan-kialofana ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fokontany.
Mino





