VMFR: Vita sonia ny sata ho an’ny dinika politika

“Handry anjara amim-pahatsoram-po amin’ny dinika politika, hanome lanja ny tombontsoa ambonin’ny firenena manoloana ny tombontsoa manokana, hiaro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena”. Ireo ny faneken’ireo nanao sonia ny “Sata ho fanoloran-tena ho an’ny dinika politika”, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repo­blika vaovao (VMFR), Rako­tomavo José, teny amin’ny Falda Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 23 ireo vondrona politika sy antoko politika ary fiarahamonina sivily, nanao sonia tamin’ny fanombohana. Mbola mitohy ny fanaovan-tsonia. Namba­ran’ ny mpandrindra ankapobeny, ny filohan’ny MFM, Ran­dria­nirina Jean-Ignace, fa samy hafa ny fikaonandoham-pirenena sy ny dinika politika. Din­gana amin’ny fahavono­nan’ny mpanao politika sy ny fiarahamonina sivily hitondra vahaolana ho an’i Madaga­sikara amin’ny dinika politika ny fa­naovan-tsonia. Ho an’ny sarambabem-bahoaka hatrany ifotony ny fikaonandoham-pirenena fa ho an’ny mpanao politika hifampifehezana ny fanaovana politika eto Mada­gasikara ny dinika politika. Hitondrana ny lalan-kizoran’ny firenena ho amin’ny fanovana koa ny dinika politika. Na ny fiangonana aza, nametraka hoe ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena misy fanomanana dinika politika. Haroso mialoha izay hisian’ny fitoniana.
Teny fanevan’ny VMFR ny Fahamarinana-Fihavanana-Fanorenana, araka ny voarakitry ny sata. Lalana hahazoan’ ny hery samihafa mifampihaino sy mifanaja ny dinika politika, mifampatoky ary miara-mitady vahaolana maharitra. Hana­mafisana ny fihavanana sy ny fandriampahalemana nasionaly koa izany, hampirobo­roana ny fihavanana sy ny firaisankina, hamerenana ny fifampitokisana ary handrai­sana an-tanana ny hetahetam-bahoaka…

R. Nd.

Partager sur: