Andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana (JMR), omaly 28 septambra. Lohahevitra noraisina ny hoe, « Miaraka isika, mahery kokoa ». Manoloana izany, nampahafantarin’ny minisitry ny Fiompiana (Minel), Randrianomenjanahary Riana, ny paikadim-pirenena ahitana ny fiaraha-miombon’antoky ny telo tonta (3P), ny minisiteran’ny Fiompiana, ny orinasa Mad Dog Initiative ary ny tohana avy amin’ny fikambanana Fondation Brigitte Bardot.
Tanjona ny hiadiana amin’ny haromotana, izay areti-mandoza mahafaty, saingy azo sorohina tsara. Nanomboka ny janoary 2026 teo, nahatratra 161 ny tranga haromotana nahina tamin’ny biby, ka 41 no voamarina. Ankoatra ny fanaovana vaksiny, vahaolana ihany koa ny famosirana ny biby tsy hitombo be loatra.
Misy ny fiaraha-miasa amin’ny foibe fitsaboana biby tsy miankina miisa 18. Hanao vaksiny hiadiana amin’ny haromotana sy hamosirana ny saka sy ny alika. Mahatratra 1 000 hatramin’ny 1 500 ny biby hanaovana izany, nanomboka omaly hatramin’ny 24 oktobra. Izay mazoto mamositra ny sakany na ny alikany no misitraka vaksiny. Marihina fa ny alika gasy sy ny saka gasy no voakasik’ity hetsika ity, fa tsy ireo biby manana karazana avy any ivelany.
Kaominina telo no nanombohana ny hetsika, Ambohijanaka, Ankaraobato ary Talatamaty.
Fantatra koa fa nofoanana ny fomba famonoana faobe ny alika mirenireny, satria tsy tsara ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Njaka A.





