VAOVAO TAMBATRA

Lany teny Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna laharana 026/2026 momba ny famatsiam-bola mitentina 250 tapitrisa dolara ho an’ny Fandaharanasa Ascent Madagascar. Mikendry ny hampisitraka angovo madio sy maharitra ho an’ny olona 2,5 tapitrisa hatramin’­ny taona 2030 ny fandaharanasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana herinaratra vaovao 312 500, fizarana fatana mitsitsy 1,5 tapitrisa ary hanohanana ny fanarenana ara-drafitra sy ara-bolan’ny Jirama.

Miomana handray ny fivoaran’ny Starlink V3 i Madagasikara. Nihaona tamin’ny SpaceX sy Starlink ny minisitry ny Haitao ara-kajy mirindra momba ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fampihenana ny vidin’ny internet. Mahatratra 1 Tbps ny fahafahan’ny zanabolana V3 mandray angona. Eo ihany koa ny Starlink Mobile Gen2, izay mikendry ny hampifandray mivantana ny finday amin’ny zanabolana. Anisan’ny fiaraha-miasa koa ny fahatongavan’ny kits Starlink 300 miaraka amin’ny internet maimaimpoana. Tanjona ny hahazoan’ny Malagasy tolotra mora kokoa sy tsara kalitao.

Mbola mitohy hatramin’ny 15 oktobra 2026 ny fametrahana fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanila ho an’ny taom-piotazana 2026-2027. Azo jerena eny anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny antontan-taratsy ilaina. Azo atao ihany koa ny manao ny fangatahana amin’ny alalan’ny sehatra niomerika Alalana, tantanin’ny minisitera.

Partager sur: