Zo sy fahasalamana ara-pananahana : Atrikasa maro iarahan’ny Nifin’Akanga sy ny mpisehatra

Nanatanteraka fandaharanasa maromaro ny fikambanana Nifin’Akanga tamin’ity volana ity

Namaranana izany, oma­ly, teny amin’ny onive­rsi­ten’Antana­narivo, ny « procès fictif ». Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zo hampitsahatra ny vohoka amin’ny fomba azo antoka. Tanora mpianatra valo ao amin’ny Fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (oniver­siten’­Anta­nanarivo) sy amin’ny Unive­rsité catholique de Mada­gascar (UCM) no nipetraka amin’ny toeran’ny mpisolovava, mpitsara ka hitsara ny tranga niseho teto Mada­ga­sikara mifototra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana. Nigadra ilay vehivavy mitondra vohoka voaheloka ho namono ny zanany amin’­ izao fotoana izao ka io tranga io no raisin’ireo mpianatra valo sy hohadihadiana ary hamoahana didim-pitsarana.

Tonga eto Madagasikara, omaly, koa ny delegasionina avy amin’ny Convening Pa­moja izay mpiara-miasa amin’ ny fikambanana Nifin’Akanga ary nihaona tamin’ny fitondram-panjakana isan’ambaratonga. Hivory eto Antana­narivo mandritra ny roa andro, manomboka anio, miaraka amin’ny mpisehatra maromaro hamolavola paikadim-pirenena mifandraika amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana izy ireo. Anisan’ny lahadinika ny fisitrahana fahasalamana ara-pananahana sy ny haitaky amin’ny fankatoavan’i Madagasikara ny fifanarahana momba ny sata afrikanina momba zon’olombelona mifa­ndraika amin’ny zon’ny vehivavy tany Maputo, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny fikambanana, Raveloarimisa Mbolatiana.
Manatontosa hetsika koa ny “antenne’’ny fikambanana any amin’ny faritra. Misy ny atrikasa sy fanentanana momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana amin’ny endrika maro. Tanjona ny handrava ny hevi-draikitra manodidina ny fahasalaman’ny vehivavy sy hivoizana indray fa zava-dehibe ny fahazoan’ny vehivavy rehetra misitraka fampitsaharana vohoka amin’ ny fomba azo antoka eto Madagasikara.

Vonjy

.

Partager sur: