Maty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany, omaly, tetsy Anosizato Andrefana, i Manitra, na Bob Hidan. An-dalana hody niaraka tamin’ny namany izy no niharan-doza ka izao namoy ny ainy izao.
Maty notsatohan’ny olon-dratsy tamin’ny antsy, tetsy Anosizato Andrefana, omaly maraina tokony ho tamin’ny 2 ora, ny lehilahy iray antsoina hoe: Manitra (25 taona). Izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe: Bob Hidan, misehatra eo amin’ny tontolon’ny mozika metaly sy ny gadona mavesatra. Nahatsikaritra lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony, izay nitsirara teo amin’ ny sampanana Ambanimaso miakatra any amin’ny fiangonana Katolika, fokontany Antananambony, kaominina Anosizato Andrefana, ny olona. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireto farany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato Andrefana. Tsy tratra teny an-toerana intsony ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo.
Nalain’ny fianakaviana ny razana
Notanterahina teny amin’ny trano fonenany, teny amin’ ny fokontany Ambodivona, kaominina Anosizato Andrefana, omaly maraina tamin’ny 8 ora ny fizahana ny razana. Tonga nanantanteraka izany ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Anosizato Andrefana. Fantatra fa nahitana tsindrona antsy teo ambanin’ny tendan’ilay tovolahy ka nahafaty azy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Ankoatra izany, nahitana mangana ihany koa tao amin’ny lamosiny.
Nandeha nody
An-dalana hamonjy fodiana izy sy ny namany hafa no sendra olon-dratsy, raha ny angom-baovao voaray. Anisan’ny lasibatra tamin’ny tsindrona antsy nataon’ireo jiolahy izy ka lavo. Efa misokatra ny fanadihadiana iandraketan’ny zandary ao Anosizato mba hahafantarana ny marina mahakasika izao vono olona izao. Efa misy ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona niaraka taminy, nandritra ny alina nisehoan’ny loza. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Efa nametraka fitoriana ihany koa ny fianakavian’ny maty.
Mino





