Anisan’ny fety manamarika ny miaramila ny andron’ny fandresena, tanterahina any amin’ny Akademia Miaramilan’ Antsirabe, anio. Dingana manamarika ny fandraisana andraikitra goavana, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Anisan’ny any an-toerana ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ka hitondran-dresaka ny mahakasika izay, fiainan’ny miaramila izay. Izy ireo rahateo no mitazona ny familiana ilay sambobe, i Madagasikara, ka ho hita eo hoe mankaiza ny seranana hihantsonany.
Raha ny zava-misy aloha, mbola maka bahana hatrany ny mpanamory. Efa mandeha ny fisavana lalana. Efa tsinjotsinjo ny lalan-kizorana na mbola misababaka eny isika amin’ny mpiara-miombon’antoka. Tsy misy tsara ohatra ny maro azo isafidianana anefa. Mila mahay milomano amin’ny fahaizana milalao ny “ty sy nday”. Samy makamaka tsy mifanambaka dia efa milamina ny zava-drehetra. Ny Malagasy rahateo angamba tsy hatoro voanjo hohadiana. Iaraha-mahalala fa sangany hatrany amin’izay hatao any ivelany.
Andrasana, araka izany, ny hafitsok’ireto miakanjo maramara ireto amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy vao sambany rahateo no nisy miaramila nitondra teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Niaraha-nahita ireny ny vitan’ny amiraly Ratsiraka, izay miandry ny fandrosoana vao hofohazina any amin’ny fandriany mandrakizay, hoy izy. Izay adala no toa an-drainy, hoy ny fomba fiteny ka hojerena amin’ny solomaso miabo indray aloha izy dimy mirahalahy izay milanja bokotra sy kintana.
Miandry ny tombana amin’ny taona voalohany ny Malagasy, andrasana ny vina amin’ny hoavy rehetra. Ny zavatra misy aloha, tsy maintsy mampita amin’ny tetezana izy ireo. Mila miara-manonja satria mbola misimisy ihany ny dingana tsy maintsy holalovana. Ny firenena rahateo eo am-piandrasana ny fanavaozana nifanomezan-toky tamin’ny tolona!
r.r





