Minisitra Fanirisoa Ernaivo : « Tsy ijerena loko politika ny tsy fanarahan-dalàna »

Naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ano­sy, ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, manoloana ny fampidirana am-ponja ireo olon’ny fitondrana teo aloha. Anisan’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny depiote teo aloha, Rahantanirina Lalao « Nina ». « Tsy misy resaka politika ny fampidirana am-ponja azy ireo. Mety fifandrifian-javatra fotsiny ihany amin’ny antoko misy azy izany. Nisy heloka nataon’izy ireo ny antony », hoy izy. Nanteriny fa nandika lalàna ireo olona ireo ary tsy ijerena loko politika ny fandikana lalàna, araka ny nambarany. Tsy misy resaka valifaty politika izany fa nisy fandikana lalàna. « Nitarika olona hanakorontana izy ary tratra nanararaotra ny fahalemen’ny olona tsy manambola ka voasazy izy. Tahaka izany koa ny Kly Rakotomamonjy Patrick nikasa handoro fonja sy hanapaka andrin-jiro… », hoy izy. No­tsiahiviny koa ny resa-bola voahodinkodina tokony hampianarana ny zaza malagasy fony minisitra i Sahondrari­malala Marie Michelle.
Tsiahivina fa notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Fitsarana tampony ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy fanovozan-kevitra ho momba ny fitsarana. Nisy ihany koa ny fifanarahana fanaovan-tsonia ho fanatsarana ny tontolon’ny asa fitsarana, natrehin’ny minisitra, Fanirisoa Ernaivo. Nanasonia izany ireo avy amin’ny CSM, ny filankevi-panjakana, ny fitsarana mpandrava didy, ny fitsarana momba ny kaonty… Mbola hanao izany koa ireo lehiben’ny fitsarana isan-tokony. Mivoitra amin’izany ny fanavaozana ny rijan-teny sy ny paikady entina miasa sy fanavaozana ny fitaovana. Eo koa ny famahana ny olana mianjady amin’ny fitsarana manoloana ny fitarainana samihafa na koa ny fitakiana mangarahara ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

Synèse R.

Partager sur: