FANTINA sy FINTINA

Hatao ho fetim-pirenena faharoa, tahaka ny 26 jona, ny 14 oktobra, araka ny nambaran’ny komity mpikarakara. « Entanina isika hanangan-tsaina ho fankalazana izany. Mbola hivoaka ny didim-panjakana momba izany », hoy ny minisitra ny Jly Lylison René de Roland, omaly. Tsiahivina fa ny 14 oktobra 2025 no fianianan’ny filoha, Randrianirina Michaël.
Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maevatanàna, ny depiote teo aloha Rahantanirina Lalao « Nina ». Nosamborin’ny zandary izy sy ny zanany lahy, afakomaly. Voalaza fa anisan’ny vesatra iampangana azy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any an-toerana. Hiakatra fitsarana ny 19 oktobra izao ny raharaha.
Mampitovy fomba fijery sy fomba fiasa ao anaty fiofanana ireo talem-paritry ny Serasera sy kolontsaina (DRCC) miisa 24 manerana ny Nosy. Natao teny Ivato, omaly, izany. Anisan’ny iofananan’izy ireo ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny fahaiza-mitantana. Eo koa ny fi­fe­hezana ireo andraikitry ny minisitera eny anivon’ny faritra.
Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fankalazana ny faha-60 taon’ny Akademia Miaramila Antsirabe, omaly. Nanome voninahitra izany ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Médecin général Zafitasondry Ranoelson M. sy ny kolonely Rampanarivo S. Thierry. Nisy ny fitokanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fotodrafitrasa.

Partager sur: