Am-perinasa tanteraka ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao, taorian’ny nandraisan’izy ireo ny tolo-kevitra teny Iavoloha, ho fanatsarana ny fifidianana. Handalo dingana izany avy eo rehefa voadinika.
Voalaza fa efa ao anatin’ ny fandinihana ireo sosokevitra momba ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Niainga tamin’ny nandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo antoko sy fikambanana ary fiarahamonim-pirenena izany tolo-kevitra rehetra izany ary noraisin’ny eny Alarobia. Miara-mandinika sy mijery izany amin’ny Ceni ireo avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) sy ny avy amin’ny Sadc. Hitohy amin’ny fampahafantarana ny votoatin’ny tolo-kevitra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana izany amin’ny volana novambra ho avy izao.
Etsy andaniny, mbola hoentina eo amin’ny fikaonandoham-pirenena izany avy eo. « Hisy ny vaomiera handray sy handamina ary hampiditra izany amin’ireo lohahevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM.
Solontenan’ny antoko politika
Anisan’ny handray anjara amin’ny fandinihana izany ireo avy amin’ny antoko politika sy ny fikambanana na koa ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Samy handefa solontena hiady hevitra amin’ny hanatsarana ny zotram-pifidianana izy ireo, amin’izany.
Tsiahivina fa an-jatony ireo tolo-kevitra noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny 1 ka hatramin’ny 8 septambra lasa teo. Anisan’ny itovian’ny rehetra any anaty tolo-kevitra ny hanavaozana ny Ceni. Eo koa ny famaritana ny fitsipika na koa ny lalàna ho an’ny mpanao politika hiatrika fifidianana.
Synèse R.





