Fanofanana mpanao gazety: Nifarana ny Ilontsera Program

Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Ilon­tsera Program, izay nanolotra fanofanana ampitain-davitra ho an’ny mpanao gazety sy mpianatra ho mpanao gazety ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo manoloana ny fanamby sy ny olana ara-tontolo iainana. Tetikasa niarahana tamin’ny Unesco, tao anatin’ny fadaharanasa PIDC. 15 ireo mpanao gazety nanaraka fiofanana. Tanjona ny hamerina sy hanampy ny finiavana efa misy. Ha­nam­batra izany hanamafy ny fisian’ilay asa fanaovan-gazety manatsikafona. Eo koa ny fampiakarana ny lentan’ny mpanao gazety ara-tontolo iainana.
Nandritra ny herintaona nanaovana ny tetikasa dia voapetraka ny fandaharam-piofanana momba ny asa fanaovan-gazety manatsi­kafona ny sehatry ny tontolo iainana.
Novolavolaina niainga ta­min’ny zavatra hita tao ana­tin’ny fiofanana izany, fototra iaingana amin’ny fanofanana amin’ny hoavy ihany koa.
Nisy tamin’ireo mpanao gazety no nahazo vatsim- panohanana nahafahana na­natanteraka ny asa fanatsikafonana eny amin’ny faritra misy azy avy.
Lohahevitra nisongadina ny mahakasika ny fitantanana ny valanjavaboahary sy ny fako eny amin’ny toeram-pitsaboana, ny fandotoana rano vokatry ny fanariam-pako eny Andralanitra, ny famokarana arina fandrehitra ary ny resaka fihazana.

Tatiana A

Partager sur: